Webradio

ONIVERSITEN’I TOAMASINA : Niditra tamim-pomba ofisialy ny sampam-pianarana ho mpitsabo

Mandray ny andiany fahatelo eo amin’ny lalam-piofanana ho mpitsabo (filière médecine) ny Oniversiten’i Toamasina tamin’ity taona 2013 ity. 26 avril 2013

Ny talata 23 avrily lasa teo no niditra tamin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra mandrato fahaizana mikasaka izany.

Araka ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Oniversiten’i Toamasina, dia eny amin’ny Campus Barikadimy no manomboka ny fianarana ho an’ireo mpianatra taona voalohany. Eny amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno kosa ny fanomezana fampianarana ireo taona faharoa. Ireo mpianatra ao amin’ny taona fahatelo indray dia eny amin’ny hopitalibe.

Tonga niatrika izao fidirana tamim-pomba ofisialy izao ireo oloben’ny Oniversiten’i Toamasina notarihin’ny filohany, Velo Jérôme.

Gilbert R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés