Webradio

JIOLAHY RAINDAHINY : Saron’i Zandary i Lala sy Solohery :

8 avril 2010

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny « Section des recherches criminelles » etsy Fiadanana ny zoma 2 aprily lasa teo i Lala sy Solohery izay jiolahy mpanao asa fanafihana tobin-tsolika teny Ambohimalaza sy anisan’ny nanafika ny BOA tetsy Tsimbazaza, nanafika vazaha tetsy Ambohimanarina ary anisan’ny ireo tadiavina mikasika ny fakana an-keriny karana tetsy amin’ny Casino 2000 tetsy Behoririka.

Taorian’ny fitondrana azy ireto teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana dia notazonina vonjimaika any am-ponja ny 6 aprily 2010 izy roalahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés