Webradio

JACKIE 501 : Hatomboka ao Foulpointe ny fankalazana ny faha-20 taona an-tsehatra

Feno 20 taona amin’ny taona 2014 ny nihiran’ny mpanakanto Jackie 501, izay fantatra tamin’ireo hira : « Tamatave zalahy tsara », « Saoferan’i Patron », « Zandrin’i Madama » sy ireo hira maro samihafa. 5 septembre 2013

Nisy ny tafa nifanaovan’ity mpanakanto ity tamin’ny mpanao gazety tao Foulpointe, ny alahady 1 septambra lasa teo.

Nandritra izany no nilazany fa « fanombohana ny hetsika ho fanamarihana ny faha-20 taona nihirako ny fampisehoana hataon’ny tarika Les Roberts, amin’ny alahady 15 septambra ho avy izao ». Fampisehoana goavana izay efa santatra sahady izany. Hanampy tosika ny tarika Les Roberts amin’io fotoana io ihany koa ilay mpanao hatsikana avy eto Toamasina, Marenga.

Amin’ny fialan-tsasatry ny Paska 2014 no voalaza fa hanaovana ny fankalazana ofisialy, hetsika izay handraisan’ny solontenan’ny mpanakanto malaza iray isaky ny renivohi-paritany. Ho tonga hanotrona koa ireo artista niara-niasa sy nira-nihira tamin’i Jackie 501.

Ity mpanakanto ity izay efa nijanona tanteraka amin’ny hira sy mozika, fa niroso kosa eo amin’ny sehatry ny fizahantany. « Aleo hmena ny tanora indray ny sehatra », hoy izy.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés