Webradio

HAND BALL SOKAJY JUNIOR : Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny As Tsiky Boeny

Laharana fahatelo no misy ny ekipan’ny AS Tsiky Boeny eo amin’ny sokajy junior, tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja hand ball. 10 octobre 2013

Ny mpilalao avy any Toliara no nibata ny amboara tamin’ny lalao famaranana, natao ny 30 septembra hatramin’ny 06 oktobra lasa teo, tany Mahamasina.

Ny ekipan’i Vakinakaratra no nampiondrika ny AS Tsiky tamin’ny amin’ny dingana manasa-dalana. Lesoka ho an’ny ekipan’i Mahajanga raha ny voalaza, ny tsy fahampian’ny fanazarantena. Vao iray volana monja mantsy no nontsongaina tao amin’ny ekipa hiatrika ity fifaninanana fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny hand ball ity izy ireo. Voalaza ihany koa fa mpanao basket avokoa ny ankamaroan’izy ireo.

Mazava ho azy fa dia tsy ampy ny fanomanana, tsy ampy ny traikefa ary eo koa ny tsy fahahehezana ny lalàna. Na izany aza dia tonga tany amin’ny laharana fahatelo ihany ireo solontenan’i Mahajanga. Isan’ny nisongadina ny zava-bitan’i Idrisse, laharana faha fito, mitazona ny vodilaharana tamin’ny fahaizana milalao ity taranja ity ka saika nahazahoany ny anaram-boninahitra ho mpilalao mahay saingy nisy ny fahadisoana nataony nandritra ny lalao.

Raha misy fihezahana ny ekipa dia mety ho lasa lavitra, manana tombontsoa be dia be ny ekipan’i Boeny amin’ny fananana kianja ampy hanazarana ny mpilalao, no sady tombony ihany koa ny fananana toe-batana ahafahana mifanandrina amin’ny hafa.

Nanamafy ny mpanazatran’ny AS Tsiky tarihin’ny Maitre Robert sy Roddy Rick mpanazatra nasionaly, fa hiezaka hanao izay tratry ny heriny izy ireo amin’ny fanazarantenan’ireo ekipa rehetra, mba hiverenan’ny amboara aty Boeny amin’ny lalao manaraka. Antomotra rahateo ny fotoana ka izay aloa no vokatra azo hoentina manarina ny ho avy.

Aimée Duvaline (Stagiaire)

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés