Webradio

ANTOKO MAITSO HASIN’I MADAGASIKARA : Handray kaongresy fahatelon’ny Maitso Afrikanina

Fihaonambe fahatelo ny kaongresy hotanterahina eny amin’ny Hotel Colbert, manomboka rahampitso 20 jona ka hifarana ny sabotsy, izay handraisan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny antoko Maitso manerana an’i Afrika. 20 juin 2014

Solontena avy amin’ny firenena 19 no higadona eto amintsika anio hiatrika izany kaongresy fahatelo izany.

Hiaradia amin’izany ny Maitso ao amin’ny Global Green’s, Global Forum, tany tandrefana sy ny sisa miteny ny teny Frantsay sy Anglisy. Hiavaka ary zava-dehibe amin’ity kaongresy ity ny firosoan’ireo antoko Maitso rehetra ny amin’ny ekolojia politika, fitomboan’ny maitso sy ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra iraisam-pirenena maro.

Ho an’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara manokana dia hisongadina ny fandinihany miaraka amin’ny Afrika Atsimo, ny endrika fampandrosoana politika maro, toy ny any Zambia satria misy fivoriana lehibe momba ny tontolo iainana amin’ny taona ho avy raha ny resaka nifanaovana tamin’ny filohan’ny Maitso Hasin’i Madagasikara, teny amin’ny biraony, omaly.

Misy foana ny fanomanana io fivoriana lehibe io izay atao isaky ny roa taona, mba hitondran’i Afrika politika vaovao amin’ny sehatry ny fitrandrahana, ny fananan-tany, ny tsy fahampiana ara-tsakafo, ny fifindra-monina ary ny fampandrosoana maharitra tiana entina izay hifanomezan-tanana sy hiaraha mametraka ny tetikasa ho entin’ny antoko Maitso amin’ny ho avy sy hanamafisina ny fahavonanana amin’ny lafiny politika sy fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.

Ho an’ny federasionan’ny Maitso dia maro ireo lafiny politika tsy maintsy hodinihiny ary raha ho an’ny Maitso eto Madagasikara manokana dia ny fametrahana ny tetikasa ao anatin’ny dimy taona manaraka, toy ny firoboroboan’ny antoko, fandraisany anjara amin’ny politkan’ny fampandrosoana maharitra, fitomboan’ny maitso ary ny sehatra ambony kokoa amin’ny fifaneraserana ara-toekarena izay mametraka olana lehibe amin’ny tontolo iainana, no tanjon’izy ireo.

RasoA

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés