Webradio

MINISITERAN’NY ASAM-PANJAKANA : Hamafisina ny fanakaikaizana ny mpiasa

Ho fanamafisana ny fanakaikaizana ny mpiasam-panjakana aty amin’ny Faritra, tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa, ary ny lalàna sosialy, misy ny atrikasa fampiofanana sy fikirakirana ny antontan-taratasim-panjakana, taty Toamasina. 17 avril 2015

Miditra amin’ny fanavaozana ny asam-panjakana ny minisitera amin’izao fotoana izao, araka ny tanjona napetraky ny minisitra Maharante Jean de Dieu.

Fantatra fa mbola maro ireo vary mangatsiaka amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasim-panjakana, ka ny hanarina izany no ezaka ataon’ny minisitera. Marihina fa haharitra telo andro nanomboka ny alarobia 15 hatramin’ny zoma 17 avrily izao fampiofanana atao izao, ka ry zareo ekipan’ny DRH de l’Etat, ao anatin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa, ary ny lalàna sosialy foibe, tarihin’ny Tale jeneraly, Razafimandimby Vololonirina Lucie, no manao ny fampiofanana.

Nandritra ireo telo andro ireo ihany koa dia nisy ny “guichet unique” iraisan’ny FOP, ny Finance, ary ny Contrôle financier manatanteraka ao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny tanàna, Toamasina renivohitra. Ny minisitra Maharante Jean de Dieu no ho tonga hamarana amin’ny fomba ofisialy izao atrikasa manakaiky ny faritra izao, ny zoma 17 avrily 2015, ary hifanakalo hevitra amin’ireo mpiatrika ny atrikasa.

Gilbert R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés