Webradio

FIFIDIANANA LOHOLONA : Amin’ny 10 janoary no hivoaka ny vokatra vonjimaika

Anio no tanterahina manerana ny Distrika manerana ny Nosy ny fifidianana Antenimierandoholona, izay handraisain’ny mpifidy vaventy, Ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny Kaominina, miisa 12 664. 29 décembre 2015

Senatera miia 42 izay mitsinjara ho 7 isam-paritany no hisafidianan’izy ireo amin’izany. Raha araka ny fanazavana avy amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana dia amin’ny 10 janoary 2016 izao no hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika izy ireo raha tsy misy ny sampona.

Omaly mantsy vao niatrika fiofanana mikasika ity fifidianana loholona ireo mpikambana mandrafitra ny SRMV na ireo olona mpikirakira ny fitaovana hampiasaina izay hapetraka eny anivon’ny biraom-pifidianana eny anivon’ny Distrika. Izy ireo no hiandraikitra ny fandraisana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany fifidianana izany. Eny anivon’ny biraon’ny faritra no hiasan’ireo Srmv ireo ary eny ihany koa no handraisana ny valopy misy ny voka-pifidianana rehetra. Nilaza ny eo anivon’ny Ceni fa ireo SRMV any amin’ireo faritra lavitra sy saro-dalana no mafy kokoa ny fampiofanana, ka any no tena mila arahi-maso tsara. Nomarihin’ny Ceni ihany fa hiasa mandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona ireo mpikambana any anivon’ny Disitrika satria raha ny tokony ho izy dia ny 2 sy 3 janoary 2016 no tonga eny anivon’ny lehiben’ny faritany ny voka-pifidianana vonjimaika rehetra. Ny 5 janoary 2016 kosa farafahatarany no tokony ho tonga eny amin’ny Ceni Foibe ny voka-pifidianana rehetra, ka io datin’ny 10 janoary 2016 io no hamoahan’ ny CEni ny voka-pifidianana vonjimaika.

Tiana anefa ny manamarika fa toa tsy nahasarika ny sain’ny Malagasy ity fifidianana Antenimierandoholona tanterahina, anio 29 desambra ity. Marihina ihany koa fa tsy hita tao anatin’ny teti-bolam-panjakana 2016 ny vola ampiasain’ny Ceni izay hikarakara ny fifidianana Antenimierandoholona. Eo indrindra no mampiahiahy ny mpanao politika satria mety hitombina ny fisian’ny teritery eo anivon’ity Ceni ity.


Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés