Webradio

AMPANDRANA : Nilaza ho tanora kristianina sy andrimasom-pokonolona, nefa mpanendaka

Ela nitoratorahana ilay jiolahy nanao fanamiana mitovitovy amin’ny tanora kristianina, nefa sady mitondra sabatra ao anaty akanjony hanaovany ihany izy, hanendahany olona, etsy Ampandrana andrefana. 19 décembre 2016

Teo am-pijorojoroana teo amin’ny elankelan-trano niandry olona hoendahiana iny indrindra izy no nosamborin’ny olona, ny talata lasa teo.

Teo no nandaingany fa sampana tanora kristianina izy. Avy eo indray niboredika ka nanambara fa mpiambina ary andrimasom-pokonolona eny Antaninandro. Tsy afa-maina anefa ny lehilahy, satria nisy ramatoa iray nendahiny talohan’izao, nahatadidy tsara ny endriny, ka noraisim-potsiny izy.

Nandritra izany anefa dia nisy namany anankiroa nitangorona niaraka tamin’ny olona teo, kanjo nanao tongotra an-katoka tampoka rehefa nahita fa azo babo ilay namany. Efa ela no nampikolay sy nampihorohoro ny mponina manodidina ireto mpanendaka izay mitilitily izay hopetahana ary mijorojoro eran’ny elankelan-trano maizimaizina rehetra ary manatsatoka antsy ireo mpandalo miakatra na midina amin’ireo tohatra etsy Antaninandro sy Ampandrana.

RaJean

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés