Webradio

FAMPIANARANA AMBONY : Manambana hitokona ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka

Ny taona 2014- 2015 dia ampahany amin’ny “indemnité de risque sy logement ary résidence” ho an’ireo mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny fampianarana ambony ihany ny voalaza fa naloan’ny Fanjakana taoriana ny fitokonana nataon’izy ireo manerana ny Nosy.  19 décembre 2016

Tamin’ity taona 2016 ity anefa dia tsy nitohy intsony ny fandovana io tambim-karama  io, ka dia manambana ny hitokona ireo mpampianatra. Nilaza izy ireo fa ataon’ny Fanjakana tsinontsinona ny mpampianatra mpikaroka Malagasy eo amin’ny fanatanterahana ny asany ka avy amin’izy ireo no manosika ny olona sy ny sendika hitokona noho ny tsy famaliana ny hetahetan’izy ireo. 

Raha nanatona ny minisiteran’ny teti-bola ny solontenan’ireo mpampianatra mpikaroka ireo dia nilaza fa tsy manam-bola ny Fanjakana andoavana io vola io. Mahagaga anefa fa manam-bola ny Fanjakana tamin’ny fandrasaina ny fihaonana an-tampon’ireo Firenena miteny amin’ny fiteny frantsay ka natao ankilabao ny fandoavana ny volan’ny mpampianatra malagasy.

Tsy mbola namaritra ny andro sy ny fotoana hanatanterahina io fitokonana io ireo mpam- pianatra mpikaroka eo anivon’ny ambaratonga ambony. Fa nanamafy hatrany izy ireo fa tampoka ny fitokonana hatao ka miandry ny mety ho famaliana ny fangatahan’izy ireo avy amin’ny Fanjakana foibe.

Tolin

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés