Webradio

ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO : Nidina tao Fenoarivo-Atsinanana ny vovonana Hina

Mitohy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ataon’ny vovonana Hina. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia tonga tao Fenoarivo-Atsinanana izy ireo nitondra tolo-tanana ho an’ireo vehivavy tokan-tena. 21 décembre 2016

Nisy ny fanomezana sakafo ho an’ireo ankizy 150 zanak’ireo vehivavy tokan-tena ao amin’ny Fokontany Amparantana. Anisan’ny mikambana ao anatin’ny vovonana Hina ny Vokovoko Mena, Fafed, Asos, Ong Mateza.

Nampitovy tadin-dokanga izy rehetra ho amin’ny fampanjarian-tsakafo ato anatin’ny Faritanin’i Toamasina.

Fantatra fa mbola entina mitety Distrika rehetra mandrafitra an’i Toamasina izao hetsika izao. Manampy azy ireo amin’izany ny Onn sy ny Orn.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés