Webradio

AMBATOFINANDRAHANA - RAIKITRA NY FIFANDONANA : Olona roa maty voatifitry ny jiolahy

Olona roa no maty voatifitry ny jiolahy, nandritra ny fifandonana teo amin’ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia sy ny jiolahy avy nanafika. 21 décembre 2016

Tao amin’ny Fokontany Antsenjabe, Kaominina Amborompotsy, Distrikan’Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania, no nitrangan’izany fanafihana izany, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia jiolahy manodidina ny efapolo mahery nirongo basy sy fitaovam-piadiana tsotra no nangalatra omby 100 mahery tao amin’io Fokontany voalaza io. Niatsianana ny dian’omby.

Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, ka nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, olona roa tamin’ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia no maty voatifitry ny jiolahy.

Mbola nanohy ny fanarahan-dia ny fokonolona ary rehefa nandre ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’Amborompotsy dia namonjy nivantana tany an-toerana, ka nanao ny fiambenana ny kizo.


Dom

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés