Webradio

MAHAJANGA : Naresaka ny fanaovam-beloma ny taona 2016 ny alin’ny 31 desambra masa teo

Nanjaka tokana. I Daddy love irery no mpanakanto nanao hetsika famaranan’ny taona teto Mahajanga, ny alin’ny 31 desambra. 2 janvier 2017

Dj avokoa kosa no nampandihy sy nanafana ny lanonana tany amin’ireo trano fandihizana sy fanaovana lanonana rehetra teto an-toerana.

Tao amin’ny Môny misôma ity mpanakanto ity no nanafana ny lanonana famaranana ny taona. Feno hipoka ny kianja fandihizana tao anatiny raha mbola maro no tsy tafiditra taty ivelany.

Tahaka izay koa ireo trano fivavahana tahaka ny an’ny Vahao ny oloko tao Ampasika dia nanakoako mihitsy ny tao amin’ny ex OFMATA. Tsy vitsy ireo namarana ny taona tany amin’ny Bord iny ny alin’ny 31 desambra.

Naroso ny tolakandron’ny 31 desambra kosa ny moraingy tsisy ihinanam-paraky izay nokarakarain’ny maitre Dadah. Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro tao amin’ny EPP Cité Tsaramandroso. Natao io ho fanaovam-beloma ny taona 2016, ka nanasana ny rehetra mpankafy moraingy.

Akoatra izay dia vao nigadona ny taona vaovao dia betsaka ireo manana fitaovam-pitaterana no niaraka nandehandeha eran’ny tanàna nampaneno anjomara.

Betsaka ny mpitandro filaminana no nanao ny fisafoana mba hampandriana fahalemana ny tanàna.


Vanessa sy Fety

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés