Webradio

ZAVA-MISY

TSY FANDRIAMPAHALEMANA AO IHOSY : Nivoaka ny fonja ry Kohingy sy ny namany izay efa nahafaty olona dimy

Nivoaka ny fonja ny alatsinainy teo i Kohingy, dahalo raindahiny sy namany fito lahy, izay nangalatra omby miisa 516, ka nahafaty tompon’omby dimy mianaka ny 16 avrily 2014, tao Soaserana Kaominina ambanivohitra Soamatasy Ihosy. 5 janvier 2017

Araka ny loharanom-baovao ny 3 jolay 2014 izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ao Ihosy dia izao nivoaka ny fonja izao fa lany hono ny fotoana nitazonana vonjimaika tany am-ponja azy ireo na « mandat de dépôt ». Matahotra ny valifaty mety hataon’ireto jiolahy ireto arak’izany ny mpitory an’ireto farany sy ny mponina any an-toerana.

Araka ny voalazan’ny mponina ao Ihosy efa tratra niaraka tamin’ny jiolahy rain-dahiny fantatra amin’ny anarana Tokanono tany Betroka i Kohingy nandritra ny « opération Tandroka », tamin’ny taona 2012 ary nalefa tany Antananarivo nefa dia mbola afaka ihany taty afara.

Manao antso avo amin’ny mpitondra araka izany ny mponina ao Ihosy mba hanara-maso izao fivoahan’ireto jiolahy ireto ny fonja izao. « Manahy ny mety hisehoan’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana indray aty Ihosy izahay raha tsy haverina any am-ponja i Kohingy sy ireo namany », hoy izy ireo. Andrasana araka izany ny fepetra horaisin’ny fitondrana mahefa manoloana izao toe-javatra izao.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés