Webradio

FANATANJAHANTENA : Mandalo eto Toamasina Randriamalaza Jean Christian tompon-daka eran-tany

Notanterahina tao Carraca-Italia ny 25-30 oktobra lasa teo ny fiadiana tompon-daka eran-tany ho an’ny taranja boxe chinoise full contact Lei Tai. 2 janvier 2017

Nanana solontena nandray anjara tamin’izany i Madagasikara tamin’ny alalan’i Randriamalaza Jean Christian, 36 taona. Ny sabotsy 29 oktobra no nanaovany ny lalao famaranana nandritra ity fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an’ny boxe sinoa ity teo amin’ny lanja 75 kg. Voahosotra ho tompon-daka eran-tany ny tenany tamin’izany. Fanimpitony nahavoahosotra azy ho tompon-daka eran-tany izao.

Mandalo eto Toamasina ny lehilahy ankehitriny.

Ny alarobia 4 janoary dia misy ny valan-dresaka arahina ady hevitra izay ataony ao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana.

Fotoana izay ihaonany amin’ireo mpanao fanatanjahantena eto Toamasina, hizarany traikefa. Ity kalazalahy izay zanak’i Toamasina rahateo.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés