Webradio

MASIAKAMPY - MIANDRIVAZO : Nidaroka olona indray ny Zandary mpanao sakan-dalana

Nanondrana indray ny mpitandro filaminana teo anivon’ny Zandarimaria tany. Masiakampy-Miandrivazo, ny alahady 08 janoary lasa teo raha ny angom-baovao avy any an-toerana. 10 janvier 2017

Tato ho ato dia ahenoana resabe hatrany ny momba ny mpitandro filaminana miasa any ambanivohitra ireny fa toa manao izay danin’ny kibony tokoa amin’ny fampiasan-kery izy ireo any amin’ny misy azy any, ka mahatonga ny olona sasany alaim-panahy hanao fitsaram-bahoaka ary mihatra amin’ny mpitandro filaminana ihany koa izany no iafarany. 

Raha ny zava-nitranga tany Masiakampy, Kaominina Anosimena, Distrikan’i Miandrivazo ity moa voalaza fa nidaroka olona indray ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Zandary. Tsy nahatsiaro tena vokatr’izany ilay olona voadaroka ary voatery noentina notsaboina tao Antsirabe mihitsy, io alin’ny alahady io. 

Araka ny nambaran’ilay voadaroka rehefa afaka niresaka izy dia mpamily no asany ary simba ny fiara fampiasany, ka niangavian’ny namany izay mpiara-miasa aminy izy mba hiara-dia aminy ho any Miandrivazo hanatitra entana, satria mpitatitra mampitohy an’i Masiakampy-Miandrivazo izy ireo. Vao hivoaka ny sakan a nataon’ny Zandary izy ireo dia nilàn’ireo mpitadro filaminana vaniny, izay nambaran’izy ireo fa sady efa nisotro no mbola mivimbina tavoahangy ihany koa. Nitaky ny taratasin’ny fiara ireo mpitandro filaminana ary taorian’izay dia nanomboka nila vaniny, ka nitaky indray ny fahazoan-dalana mamily fiara an’ilay mpamily iray teo anoloana, izay tsy nitondra akory ny fiara. 

Rehefa tsy nisy tany aminy satria tsy nitondra izy dia notakian’izy ireo kara-panondro indray ary rehefa tsy nisy izany ihany koa dia nosamborin’izy ireo avy hatrany ary noentin’izy ireo tany amin’ny birao fiasany.

Satria olona fantatry ny maro izy sy ilay tompon’ny fiara izay niangavy azy dia niditra an-tsehatra ny Ben’ny tanàna, ka niangavy ny mpitandro filaminana, izay efa mamo mba hamela azy ireo handeha ho any amin’ny Ben’ny tanàna aloha, mialoha ny fanadihadiana. Tsy nanaiky izay ireo Zandary ka vao niala ny ben’ny tanàna dia raikitra ny daroka tamin’ilay mpamily nindramina, ka teo no nitrangan’ny voina ary dia niafara tamin’ny tsy fahatsiarovan-tenany. Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany aliny no tsy nahatsiaro tena ilay mpamily voadaroka ka hatramin’ny 10 ora alina vao navelan’ireo Zandary hoentina tany Miandrivazo saingy tsy afaka nandray intsony ny tao satria voalaza fa efa tsy vitan’izy ireo izany, ka taty Antsirabe vao voavonjy ilay ranamana, izay efa mba afaka miresaka aloha hatramin’izao.


Tiray.R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés