Webradio

LALAM-PIRENENA FAHAEFATRA : Nomena toromarika hanao rodobe ireo mpitatitra

Nahazo toromarika tsy maintsy mitandahatra miaraka na manao « caravanne » ireo fiara fitaterana mihazo an’Antsiranana nanomboka ny alatsinainy teo raha vao miala an’i Mahitsy. 11 janvier 2017

Araka ny fanazavan’ny Zandary misy fanakanan-dalana misesy amin’ny Faritr’Ankazobe iny tato ho ato. Fiaran’olon-tsotra hianavaratra no vao voatafika, ny alatsinainy teo.

Mbola vao takariva tamin’ny 6 ora sy sasany raha vao tafiditra kely an’Ankazobe no nitrangan’izany. Tsy nisy naratra fa ny vola teny amin’ireo mpandeha tao anatin’ilay no lasan’ireo olon-dratsy.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Zandary nanamafy ny fisavana sy nanaraka ny taksiborosy sasany aza mba ho fitandroana ny filaminana. Tsy nahenoana asan-jiolahy toy izany ny RN 4 sy RN 6 teo aloha saingy noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana tsy kely lalana sy manita-kevitra ny ratsy.

Eo amin’ny faritra manodidina an’Ankazobe iny no tena mafampana ny asan-jiolahy fa mbola milamina ny lalana manomboka eo Manerinerina mianavaratra.

Anthonia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés