Webradio

AKANY AO AMBATOLAMPY : Tsy nanadino ireo zaza kamboty ny Polisim-pirenena

Ny sabotsy lasa teo no nifampitaona nifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny Polisim-pirenena sy ireo zaza kamboty beazina eo anivon’ny akanin’izy ireo any Ambatolampy. 1er février 2017

Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général Anandra Norbert, no tonga tany an-toerana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky eo anivon’ny minisitera.
Nisy ny fety sy korana niarahana tamin’ireo ankizy kamboty tezaina eo anivon’ny akany. 

Nampifalifaliana tanteraka ireto farany ary tamin’izany, nisy fiara-misakafo izay nanoloran’ny minisitra omby mifahy iray sy kojakoja maro isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny vary, menaka, savony, voamaina, akanjo ary jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ireo ankizy.

Nandray fitenenana fohy ny minisitra ary nirary soa ho an’ireo ankizy tezaina tao amin’ny akany. Tamin’io andro io ihany koa no nanatanteraka atrikasa ny minisitra ka tonga tamin’izany ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Distrikan’Ambatolampy. Anisan’ny nodinihana tao ny fisorohana ny trangana fitsaram-bahoaka. 

Ankoatra izay novoriana ireo Polisy rehetra miasa ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, ka tamin’izany no nanasongadinana ny andraikitra sy ny fomba fiasan’ireo Polisy na ireo eny an-dalana na ireo miasa anaty birao. Nanamafy hatrany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka fa “tokony hanara-dalàna avokoa izy ireo mba ho maodely sy mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka an’ny mpitandro ny filaminana”.
Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés