Webradio

FIARAHA-MIASA - FANABEAZANA : Nanolotra fanampiana mitentina 120 000 euros i Japon

Notontosaina ny 31 janoary lasa teo ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’ny Japon sy Madagasikara. Mitentina 120 000 euros ny fanampiana, izay aompana tanteraka amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. 2 février 2017

Ny trano fianarana CEG Antanimalandy Mahajanga sy Ambohimandroso Ambatolampy no niantefan’izany fanampiana izany.

Ny Ambasadaoron’ny Japon, Ichiro Aogaswara no nanao ity fifanarahana ity niaraka tamin’ny Talen’ny CEG Antanimalandy Rabemanantsoa Fille Marie Claire sy
ny Talen’ny CEG Ambohimandroso Soussokou Jean Francoeur.

Ny tanjona amin’izany dia fanamboarana efitrano efatra ho an’ny CEG Antanimalandy izay mitentina 69 464 euros. Ahitana mpianatra manodidina ny 1 681 eo ity sekolim-panjakana ity.

Ho an’ny CEG Ambohimandroso indray dia entina hanavaozana ny sekoly ity fanampiana mitentina 51 205 euros any amin’ny firenena Japon ity. Tafiditra amin’
izany ny kojakoja ilaina amin’ny fianarana toy ny latabatra ary ny fitaovam-pianarana hafa.

Irariana ny hitohizan’ny fiaraha-miasa tahaka izao eo amin’ny Firenena roa tonta.

Niony

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés