Webradio

FAMPANANANA ASA : Hiara-hiasa amin’ ny orinasa ara-toekarena ny Oniversiten’i Mahajanga

Tsy ho sahirana intsony ireo mpianatra eny anivon’ny Oniversiten’i Mahajanga aorian’ny fiofanana arahina fa dia efa vonona ireo mpandraharaha sy orinasa ara-toekarena eto Mahajanga hanome tolotra asa ireo mpianatra. 17 février 2017

Nampafantarina ireo orinasa ara-toekarena ireo sampam-pampianarana misy eo amin’ity Anjerimanontolo ity ka saika efa miara-miasa sy vonona hanome asa ireo mpianatra ireo orinasa tonga nijery sy nihaino ny famelaberan-kevitra nataon’ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga Profesora Emmanuel Rakotoarivony ary ireo mpampianatra mpikaroka izay tonga namaly ny antso.

Zava-dehibe, hoy ny filohan’ny oniversite ny fiaraha-miasa eo amin’ireo orinasa ara-toekarena ireo satria dia mifampiankina ny asa fikarohana sy ny fampandrosoana. Miisa 11 ireo sampam-pampianarana misy eo anivon’ny Oniversiten’i Mahajanga ka samy nampafantatra ny rantsana izay misy azy ireo Talen’ny sekoly manoloana ireo orinasa ary koa niaraka nandresy lahatra sy nitady vahaolana haingana ahafahana manome asa ireo mpianatra nahavita ny fianarany.

Efa maro ireo mpianatra no nahita tombontsoa tamin’ny fianarana tao amin’ny Anjerimanontolo tao Mahajanga nandritra ’ny 40 taona nijoroany izay ka ho hanamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa izay efa niaraka nanolotra asa ireo mpianatra.

Ny politikan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony rahateo ny hijery sy hanatsarana sy ho avin’ny tanora malagasy eny amin’ny fampianarana ambony aoriana ny fahazoana mari-pahazaina.

Tolin

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés