Webradio

AMBATOLAMPY : Zandary iray namoy ny ainy nazeran’ny môtô ny alahady hariva teo

Misaona indray ny Zandarimariam-pirenena malagasy, amin’izao fotoana izao. Zandary iray Gphc, Razafindrakoto Tefinanahary Rivo no namoy ny ainy, ny alahady hariva teo. 7 mars 2017

Miasa ao amin’ny Kaompania Ambatolampy, ao amin’ny Sampandraharaha miandraikitra ny fisavana fiara miaraka môtô (BPR) izy izao namoy ny ainy izao.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nahazo fotoam-pialan-tsasatra kely izy io alahady io, ka nikarakara ny môtôny tany amin’ireny toerana mpanamboatra fiara ireny. Rehefa vita ny fikarakarana dia nanao andrana izy ka ilay mpanamboatra nitondra môtô hafa teo alohany ary izy kosa nanaraka avy ao aoriana. Gaga anefa ilay mpanamboatra môtô fa tsy hitany tao aoriany intsony ilay Zandary rehefa somary lasa tokony ho 3 km teo ho eo.

Niverina nijery ny zava-misy ilay mpanamboatra fiara ka akory ny hatairany fa ilay Zandary efa mitsirara ao anaty lakan-drano no hitany. Nanakana fiara izay nandalo ity mpanamboatra fiara ity, ka io fiara io no nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ao Ambatolampy ihany. Na dia natao aza ny ala nenina rehetra tamin’ny fitsaboana ity Zandary ity dia tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia misy hozatra tapaka ao amin’ny hatony ka io no nanempotra azy ary nitarika hatramin’ny fahafatesana.

Raha ny tombantomban’ny mpitsabo dia nianjera izy, ka ny lohany no nandeha mialoha. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra izay antony nampianjera ity Zandary nitondra môtô ity.

Mampiahiahy ny mpanao fanadihadiana ity lozam-pifamoivoizana namoizana aina Zandary ity. Raha ny traikefa anan’ity Zandary ity dia tsy tokony ho tratran’izay loza izay izy satria io no nianarany sy nifotarany mafy nandritra ny fianarany teo anivon’ny Zandariam-pirenena, ka nahatonga azy ho ao amin’ny Sampandraharan’ny BPR ao Ambatolampy.

Namela manano tena iray sy kamboty mirahavavy ity Zandary ity. 35 taona izy izao namoy ny ainy izao. Zanaky ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitr’i Vinaninkarena izy ary anisan’ireo nanampy ny tanora ao Vinaninkarena tamin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ho azy ireo.


Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés