Ny hahatafiditra ny ekipa malagasy amin’ny fiadiana ny CAN farafaharatsiny sy ny fanatsarana ny ekipa ary koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fampitomboana azy ireny no irian’ireo mpankafy baolina kitra amin’izao nahalany an’I Ahmad ho filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina misahana ny baolina kitra (Caf) izao.
Isany voaresaka koa fa tsy mahagaga io fahalaniany io, satria tena efa ela nilomanosana tamin’ny sahatry ny fanatanjahantena sy ny baolina kitra ny tenany. Ary nandalo antanantohatra maro dia maro tokoa vao tonga amin’izao toerana izao. “Na izany aza anefa dia zava-dehibe amin’ny Malagasy ny fahalanian’i Ahmad, indrindra fa ho an’i Mahajanga”, hatrany ireo mpankafy baolina kitra eto Mahajanga.
Porofon’izany ny fanehoana fifaliana tamin’ny alalan’ny karnavaly, ny alakamisy lasa teo. Tena nohamafisin’izy ireo tsara fa tsy ampy ny kianja filalaovam-baolina eto amintsika, ny ekipa mpilalao anefa mitombo isa isan’andro. Ka tsy tokony hatao ambanin-javatra satria lalao ankafizin’ny Gasy ny baolina kitra ary tokony ho lasa lavitra dia lavitra tokoa ny ekipa Malagasy raha tena ampy ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana azy ireny.
“Mila fanatsarana ny fomba fiasa ao anatin’ny Federasiona ny baolina kitra Malagasy, raha tena te hahita fahobiazana ny Malagasy eo amin’ity sehatra ity”, hoy ny teny niraisan’ny rehetra.
Fety