Webradio

FANAFIHANA TENY ANTANAMBAO : Efa-dahy niakatra Fitsarana, roa naiditra am-ponja

Ny sabotsy teo no niakatra Fitsarana ireo efa-dahy izay voarohirohy ho nanafika ilay teratany Italianina tao Antanambao Sotema Mahajanga, ny 6 marsa lasa teo. 22 mars 2017

Olona tsara sitrapo ihany no nanome ny loharanom-baovao ny Polisy fa misy mahita ny trano izay misy ireo jiolahy nanafika io teratany vahiny io tao amin’ny “Villa de la rose”.

Nandeha ny fikarohana azy ireo ka sarona tao amin’ny trano fonenany ireto jiolahy efa-dahy ireo. Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo voarohirohy ka natao famotorana ary nampiakarina Fitsarana. Roa tamin’izy efa-dahy nanafika ireo no naiditra am-ponja ary ny roa hafa dia nomena fahafahana vonjimaika.

Raha tsiahivina dia volamena milanja 22 grama no lasan’ireo jiolahy ireo nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao amin’ilay Italianina, niampy vola mitentina 16 000 000 Ariary sy finday ary kojakoja isan-kazarany tao an-trano. Na izany aza tsy mipetraka eo ny fanadiadina mikasika ity fanafihana mitam-basy tao Fokontany Antambao- Sotema ity fa mbola arahina maso izay tena tompon’antoka tamin’ny famatsiana fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy.


Tolin

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés