Tsy nitazona fiara tsy akory izy ireo fa nijery ihany raha misy Polisy ao anatin’ireny fiara mpitatitra mankany Antananarivo ireny, ka havoaka sy tsy hahazo, mandeha. Antony nanaovana izao fisakanana izao, ny voalaza fa fanaovana ambanin-javatra ny Fitsarana eto Toliara ary ny tsy tokony hisian’ny fisamborana na koa fanagadrana Polisy intsony manoloana iny raharaha nahafaty ny Mpitsara, Itompokolahy Rehavana Michel, satria dia efa nisy ny fampihavanana natao izay namonoana omby iray ho mariky ny fihavanana sy ny nofon-kena mitam-pihavanana.
“Tsy ekena intsony izany fa dia fanakorontanana ny Firenena no ataon’olona manana eritreritra hanagadra polisy”, hoy ireo Raiamandreny avy any Toliara. Nambaran’izy ireo ihany koa fa na dia nisy aza ny olana tany Antsakabary, dia tsy tokony hampitovizana ny raharaha. Koa miantso ny Polisy rehetra ireto Ray aman-dreny ireto, mba tsy hihazo an’Antananarivo hiatrika ny Fitsaranaary miangavy ireo polisy rehetra tafiditra amin’izao raharaha izao ka miasa ivelan’i Toliara, mba hiverina haingana aty Toliara.
Tsiahivina fa efa nitondra ny heviny amin’ny tsy tokony hanagadrana ireo Polisy voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana Mpitsara tany Toliara iny ihany koa ireo fikambanan’ny Foko 18, any an-toerana, talohan’ny hetsika nataon’ireo Raiamandreny ireo.
Bems