Hoy ny fiarahamonim-pirenena, avy any Mananjary. Nambaran’izy ireo fa saika manarena ny Nosy no ahitana ity fitsaram-bahoaka ity, raha tsy hilaza ny tany Mananara Avaratra, Befandriana Avaratra ary Besalampy sy ny sisa. Nanolotra vahaolana, noho izany, ity Fiarahamonim-pirenena ity, fa tokony handray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana, fa tsy miandry zavatra hiseho, vao hihetsika, hoy izy ireo.
Faharoa, takian’izy ireo ihany koa ny hametrahana ny dina isaky ny faritra na Kaominina, izay ifampifehezana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny famerenana ny soa toavina eny anivon’ny rafi-pokonolona sy ny fanomezan-kasina ny fokontany.
“Raha ireo no tanteraka dia mety hofoana ny fitsaram-bahoaka miseho ho lany any amin’ny faritany”, hoy ireto fiarahamonim-pirenena avy any Mananjary ireto.
RaJean