Webradio

FILOHA VAOVAON’NY CAF : Tsy dia nahafaly ny Filoha Rajaonarimampianina ny fahalanian’i Ahmad

Ohatran’ny tsy nahafaly an’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny nahavoafidy an’ny Loholona teo aloha Ahmad, ho filohan’ny Caf na dia nankasitraka azy ity farany tamin’ny fahatongavany.  22 mars 2017

«  Reharehan’ny Firenena malagasy no nahavoafidy an’i Ahmad ho filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina misahana ny baolina kitra (CAF) ary tokony ho noraisina tamin’ny fomba manetriketrika teto Antanana- rivo. Na ny Praiministra aza tsy tonga nitsena azy teny Ivato  », hoy ny fanazavana nataon’ny mpiasam-panjakana iray, omaly. Nasehon’ny vahoakan’i Mahajanga kosa fa «  fanôrolahin’izy ireo  » i Ahmad ary nangotroka ny fitsenana azy tamin’ny farany herinandro teo tany an-toerana. 

«  Mihoatra lavitra ny isan’olona tonga nitsena ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny olona nanome voninahitra ny fahatongavan’i Ahmad tany Mahajanga. Tokony hieritreritra ihany ny Fitondrana. Tsy mahay mankasikatra i Hery Rajaonarimampianina  », hoy izy.

«  Dia gaga ingahy Filoha indray andro any raha misy mitsoaka an-daharana ny mpikambana Hvm  ?  », hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. 

Na izany na tsy izany, nilaza i Ahmad tamin’ny fandalovany tany Mahajanga fa tsy hanao pôlitika pôlitisianina intsony ny tenany ary ho ambasadoran’ny vahoakan’i Mahajanga manomboka izao. Mazava, angamba, ny resaka……


A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés