Webradio

KAOMININA MAHAJANGA : Nitombo hatrany ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bola

Nanomboka ny taona 2012 dia niakatra hatrany ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina Mahajanga. 6 avril 2017

Ny taona 2012 dia 903 735 213,14 Ariary izany. Ny taona 2013 kosa dia niakatra 1 224 870 928,35 Ariary. Ny 2014 dia 1 382 613 918,33 Ariary ary tafakatra 1 483 042 199,05 Ariary ny taona 2015 ary ny 2016 dia nahatratra 1 992 000 000,00 Ariary.
Izany dia noho ireo ezaka maro natao hanatsarana ny fampidiram-bola sy ny fiarovana ny vola tokony hiditra.

Tsiahivina fa ny taona 2009 iny no nandalo krizy mafy ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga ka karaman’ny mpiasa valo volana no tsy voaloa.

Nanatona ny PGDI ny Ben’ny tanàna nitady vahaolana ary nisy ny fanampiana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny Ircod nizahana ifotony ny olan’ny Kaominina, ka manam-pahaizana manokana amin’ny hetra no nanao izany. Taorian’izay dia nisy soson-kevitra maromaro ka anisan’izany ny fametrahana « guichet unique » sy ny « perception en ligne ». Nisy koa ny fandaminana anatiny ka nametrahana firafitra vaovao sy famaritana ny asan’ny tsirairay.

Ankoatra ny fanatsarana ny fidiram-bola dia nisy ihany koa ny mangarahara eo amin’ny vola miditra izay nihena ny fikirakirana lelavola. Misy ihany koa ny mangarahara amin’ny fanarahana ireo antontan-taratasy isan-karazany. Nisy ny fampahafantarana ny ezaka natao tamin’ny paikady fanarenana ny fidiram-bolan’ny Kaominina ny alatsinainy teo natrehin’ny tompon’andraikitra sy ny vahoaka. Nisy ihany koa ny fotoana nametrahana fanontaniana ka anisan’ny tena nahaliana ny olona ny “tetikasa ho an’ny olom-pirenena” izay sady fomba fiasa no tetikasa vaovao entin’ny Ben’ny tanàna.

Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés