Webradio

ANTSIRABE TAMPON-TANANA : Lehilahy sy vehivavy nahatrarana menaka rongony mitentina 1 800 000 Ariary

Miparitaka eto Antsirabe, Faritra Vakinankaratra ny menaka rongony, amin’izao fotoana izao, saingy telo litatra ihany aloha no mbola saron’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina eto Antsirabe. 10 avril 2017

Tamin’ny alalan’ny vela-pandrika no noetin’ny Polisy nisamborana ny lehilahy iray teny amin’ny Fokontany Tsarasaotra sy vehivavy iray teny Ambohimena. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Polisy ao amin’ny kaomisaria Antsirabe Ville, Talily Damy, dia fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy olona mitady mpividy menaka rongony eny amin’ny Fokontany Tsarasaotra.

Natao ny vela-pandrika ka Polisy nanao fanamiana sivily no nitonona ho olon-tsotra ho mpividy, ka roboka ilay lehilahy. Mora ho an’ireo mpitandro ny filaminana no nisambotra ity lehilahy ity ary mbola tratra tao an-tranony ihany koa ny menaka rongony ao anaty tavoahangy plastika miisa 5 izay manana habetsaka 3 litatra eo ho eo.

Rehefa nohadihadiana ilay lehilahy dia nilaza fa tsy azy ny entana fa ana vehivavy iray mipetraka eny Ambohimena. Raisiny 600 000 Ariary amin’ity vehivavy ity ny menaka rongony iray litatra ary izy indray avy eo no mitady ny tombony ho azy, ka manodidina ny 900 000 Ariary io amarotany azy io.

Ny alakamisy hariva teo ihany dia nidina teny an-toerana indray ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ka tratra tao an-tanony ilay vehivavy. Nentina natao famotorana izy ary niaiky fa azy tokoa ny entana ary any Betroka no angalany ireo menaka rongony ireo ary nokasaina haparitaka eto Antsisrabe.

Marihina fa tsy vao izao no nahatratra menaka rongony ny mpitandro ny filaminana eto Antsirabe ary efa voasambotra sy mamita ny saziny ireo nivarotra izany. Misy ny teratany vahiny ary ireto olon-droa voasambotra ireto dia gasy avokoa.

Mbola misy miparitaka anefa any anivon’ny Fokontany any, ka miantso ny vahoakan’Antsirabe ny mpitandro ny filaminana mba hanome vaovo raha vao maheno trangan-javatra hafahafa. Nampiakarina eny amin’ny Fampanoavana ny raharaha, ka nampidirina am-ponja vonjimaika izy roa ireo miandry ny fotoam-pitsarana azy.


Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés