Araka ny efa notaterina teto tamin’ny herinandro teo dia mahitahita tokoa ity mpandraharaha malagasy iray ity ary tonga hatramin’ny fikasihan-tanana nahazo an’i frera Edwin Joseph sy fandrahonana atao amin’ireo mpiasa mbola manohy ny asany ato amin-dry frera ny raharaha. Ity teboka farany ity indrindra no nahazoana akom-baovao fa mangovitra eo anatrehan’ireo karazana fampitahorana ireo mpiasa ato amin’ity ONG Saint-Gabriel ity.
Raha ny fanazavana nentin’ny fokonolona tany an-toerana dia misy olona mihitsy tonga ao Analamalotra, mitonona ho Zandary, izay tsy manao fanamiana maha mpitandro filaminana akory, ary tsy mampiseho taratasy manamarina fa fa zandary fa avy hatrany mitonona ho Zandary, ka mandrahona hanagadra ireo olona izay manohy ny asany. Amin’izao fotoana izao, tapitra niala avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa, matahotra ny higadra.
Raha ny fanazavana azo dia tsy misy afa-tsy mpiambina iray sisa no tavela miandry ity velaran-tany 5ha hiasan’ny ONG Saint-Gabriel ity. Ity farany anefa naneho ny fahavononana hatrany ny mbola hanohy ny asany ao amin-dry frera na inon-kidona na inon-kihatra. Araka izany, mbola mitohy ny fihetsika asehon’ity olona mifanolana amin-dry frera ao Analamalotra.
Ravo