Maro ireo tanora no efa marary vokatr’izany hoy ny mpitsabo aretin-tsaina ao Toamasina. Nilaza kosa ireo mpitsabo olona marary saina fa efa nisy ny tatitra nataon’izy ireo any amin’ny minisitera mba hisian’ny fanaraha-maso hentitra.
Fantatra izany nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny komity mpikarakara ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana Toamasina.
Valan-dresaka izay natao tao amin’ny biraom-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ny alarobia 5 avrily lasa teo. Tamin’ity taona 2017 ity, dia naompan’ny OMS amin’ny ady atao amin’ny fiketrahana ara-tsaina (dépression) ny lohahevitra fanamarihana ny 7 avrily, andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana. Niompana tamin’izany indrindra ny fanentanana nataon’ireo mpitsabo aretin-tsaina eo anivon’ny Hopitaly Be Toamasina.
Ho an’i Dr Ratobimanankasina Lanja mpitsabo olona tsy salama saina sady lehiben’ny klinika mitsabo saina, dia mitana ny laharana faharoa amin’ny marary raisin’izy ireo ny fiketrahana ara-tsaina. Tanora latsaky ny 30 taona no tena voany. Fiketrahana ara-tsaina izay mitarika hadalana raha tsy voatsabo. Nomarihin’ity mpitsabo ity fa tandindomin-doza tanteraka ny fahasalamana ara-tsaina ho an’ny tanora eto Toamasina. Miparitaka ny fivarotana ny fanafody atao hoe Rivotril, ka tanora maro no lasa adala. Fanafody izay natokana ho an’ireo olona tratran’ny fanintona saingy misy mampiasa ho rongony izy io.
Ho an’i Dr Erica izay dokotera mpitsabo saina, dia azo tsaboina tsara ny fiketrahana ara-tsaina. Hetsika maro no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana teto Toamasina. Nisy ny diabe mitety tanàna niainga avy teo anoloan’ny Crjs. Diabe iadiana amin’ny fiketrahana ara-tsaina izay narahina seho an-tsehatra teo anoloan’ny Crjs hatrany sy fizahana maimaim-poana ny aretina diabeta sy tosi-dra ary ny fanazavana misimisy tamin’ny mpanatrika ny antsoina hoe fiketrahana ara-tsaina.
Kamy