Webradio

DISTRIKA AMBATO BOENY : Tsy ahitam-bahaolana ny fanapahana hazo sy tevy ala

Hatreto dia mbola tsy nahitam-bahaolana ireo mpifindra monina an-jatony mitevy ala sy manimba izany any amin’iny Distrika Ambato Boeny iny.  10 avril 2017

Manodidina an’i Tsaramandroso sy Ankijabe ary manodidina ny tanànan’Ambato Boeny iny no tena lasibatra.

Efa nisy ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra teny anivon’ny minisitera ary efa nisy latabatra boribory natao niantsoana ny tompon’andraikitry ny Faritra niavian’ireo olona ireo amin’ny fitadiavam-bahaolana saingy mbola tsy hita mivaingana izany akehitriny. Iny faritra iny rahateo no mamatsy saribao ny tanànan’i Mahajanga ka manahirana ny hanakenda ny loharanon’ny saribao ampiasain’ny ankamaroan’ny mponina.

Misy fiantraikany betsaka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro anefa izy io ary efa mihatra sahady amin’ny lemak’i Marovoay araka ny tatitra nataon’ireo mpahay tontolo iainana. Raha miisa fito ireo loharano anisan’ny manondraka ny lemak’i Marovoay amin’ny fambolena vary teo aloha dia zara raha misy telo sisa ankehitriny fa ritra avokoa. Tafiditra anatin’ireo faritra potika tontolo iainana i Boeny ary ahiana ny haha ngazana azy raha tsy misy fahatongavan-tsaina sy fiovan’ny fomba fanao. 

Efa mandeha ihany ny fandrisihana amin’ny fambolen- kazo nefa tena mbola tsy ampy mihitsy izany raha mitaha amin’ny hazo tapaka isan-taona. Eto dia hita ny fetran’ny fahafahan’ny Fanjakana mametraka ny politikam- pampandrosoana sy ny ahafahany mampihatra izany


Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés