Efa ambanin’ny ranomasina ny haavon’ny tany ao ary efa feno lavadavaka tanteraka. Araka ny fantatra dia ny mpanofa ny tany no mivarotra ireo fasika ireo satria mbola tafiditra anatin’ny tanin’ny faritany ny ankamaroan’ny tany amin’iny Fokontany Amborovy iny. Na izany aza dia manana andraikitra betsaka ny sampandraharaham-panjakana misahana ny tontolo iainana satria lalàna mihitsy no mametraka ny tokony hisian’ny fanadihadiana mahakasika ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana amin’ny fitrandrahana rehetra.
Efa 20 taona mahery io fitrandrahana fasika ao Amborovy io fa mbola tsy nisy tombana natao. Ankoatra ny fahasimban’ny tontolo amin’ny lavadavaka dia betsaka ireo fanorenana no potika satria ny fasika no ipetrahany ary dia mikorosy rehefa misy lavaka be eo anilany. Hatramin’ny “buses” ny vovo no efa lasa toy ny ‘cheminée’ mihantona kely ery ambony satria lasa daholo ny fasika manodidina azy. Ho an’ny toerana itrandrahan’ireo mpitrandraka fasika ankehitriny dia tsy eo ny tompony fa monina any Antananarivo. Inona izany fa tsy ny tompony mihitsy no nanome alalana ireo mpaka fasika mitrandraka ao ?
Anisan’ny loza mitatao io satria lasa ambanin’ny haavon’ny ranomasina ny tanàna ; nefa misy sirasira. Izany hoe lasa idiran’ny ranomasina ireny toerana rehetra voalavaka ireny amin’ny samonta ka maha masina ny rano toy ny nasiana sira. Manana manam-pahaizana manokana amin’ny tontolo iainana i Mahajanga ka tokony hojerena ihany io tranga io na dia tsy mitaraina intsony aza ny vahoaka satria na mitaraina aza dia aato herinandro vitsivitsy ny fitrandrahana dia mitohy indray. Tokony tsy hisy ny mizàna tsindriana ila fa rehefa fitrandrahana dia tokony hisy io fitsirihana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana io, ary ahena araka izay azo atao no ampanarahana ny lalàna.
Vanessa