Webradio

FANAFIHANA MITAM-BASY : Raim-pianakaviana loakan’ny bala teo amin’ny lohany

Nirefotra indray mandeha ny basy. Avy hatrany dia teo amin’ny lohan’ilay raim-pianakaviana tompon’omby sendra nitsirika teo am-baravarana no niantefan’ny bala. 14 avril 2017

Nandriaka ny ra. Nisehoana fanafihan-dahalo tao Ambolomborona, eo an-tampon-tanànan’Ambatofinandrahana ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.
Andian-dahalo nisy efa ho 20 lahy niaraka tamin’ny basim-borona no nitontona teo an-tanàna ary avy hatrany dia namantana tao amina tokantrano iray. Nidiran-dry zalahy an-keriny ny valan’omby ary navoakany niaraka tamin’izay ny omby miisa 19. Teo indrindra no nivoaka ny trano tampoka ilay rangahy tompon-trano raha nahare ny kotaba tany ivelany. Vao nivoaka ny varavarana anefa ny tenany tonga dia notsenain’ny tifitra ka maty tsy tra-drano.

Io feom-basy io no nanaitra ny fokonolona iray tanàna saingy tsy nisy sahy nivoaka trano ny rehetra noho ny tahotra sy ny hamaroan’isan’ireo olon-dratsy. Tokony ho 10 minitra taorian’ny fanafihana vao nampandrenesina ny Zandary, raikitra ny fanarahan-dia taorian’izay. Ireo Zandary mpanao fisafoana amin’ny alina no nanenjika an’ireo malaso avy hatrany niaraka tamin’ny vatan-dehilahy matanjaka tao an-toerana.
Nisy ny fifandonana teny an-dalana ka vaky nandositra ihany niafaran’ireo dahalo rehefa resy tosika, iray tamin’izy ireo no naratra mafy voatiditra saingy mbola tafatsoaka niaraka tamin’ny namany.

Tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby rehetra.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés