Isan’ny vontoatin-dresaky ny roa tonta tamin’izany ny fomba hoentina mampitraka na manatsara indray ny seha-panatanjahantena aty an-toerana. Soso-kevitra napetraky ny Loholona ny tokony hijerena fomba manokana hanatsarana ny ao anatin’ny kianja Rasolonjatovo ao, ka hametrahana karazana kianja maromaro ahafahan’ny rehetra manao fanazaran-tena. Isan’izany ny fanorenana kianjan’ny basket-ball sy volley-ball ary ireo taranja izay tokony hiara-dalana amin’izany.
Eo ihany koa ny hijerena manokana ny fanatsarana ny toeram-panaovana ny taranja fototra atletisma ao anatin’ity kianja ity ihany. « Azo atao tsara ny manatanteraka izany, hoy ny Loholona, fa mila ny firaisan-kinan’ny rehetra fotsiny ». Noentanina ireo filohan’ny Ligy mba hanangana fikambanana ahafahana mitady famatsiana hoentina manatanteraka ny tetik’asa rehetra izay atao, kanefa tsy manitsy misy ny teny hifampierana amin’ny Ben’ny tanàna satria izy no tompon’andraikitra voalohany eto Ambatondrazaka renivohitra, ka tsy maintsy hajaina hatrany ny antanan-tohatra rehefa misy zavatra kasaina hatao, hoy ihany ity Loholona.Niaraka niaiky ny rehetra fa tsy mbola nisy ny tompon’andraikitra namory ny filohan’ny Ligim-paritra niaraka tahaka izao taty Alaotra Mangoro hikaroka hevitra hoentina mampandroso hatrany ny fanatanjahantena.
Nisaotra manokana ny Loholona Rabenony Andrinirina na i Zama Day izy ireo, araka izany, noho izao finiavana hitady ny tombontsoan’ny mpanao fanatanjahantena izao.
Hariliva R.