Webradio

POLITIKA

NITSIDIKA TANY MORONDAVA : Tsy maharototra ny mponina intsony Ravalomanana Marc

Taorian’ny fiverenany avy tany ivelany, dia nanohy ny fitetezam-paritra ataony tany Morondava, renivohi-paritr’i Menabe, ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ny zoma teo.  18 avril 2017

Nanamafy ny hahakandidà azy amin’ny fifidianana 2018 no tena anton-diany tao Morondava ary nitafa tamin’ireo mpomba azy ao an-toerana.

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana nefa dia tsy naharototra ny olona loatra io famoriam-bahoaka nataony, tao amin’ny kianjabe an’ny Solombavambahoaka iray voafidy tamin’ny fotoan’androny. Tombanana ho 100 eo ho eo  ihany ny olona tonga nanatrika izany tao an-toerana.

“Tsy misy teo amin’ny Fitondrako izao gaboraraka ataon’ny Fitondrana ankehitriny mianjady amin’ny Firenena izao. Fanenjehana ahy sy manimba ny fananako ihany no ataon’ity Fitondrana ity”, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ny kabary nataony. 

Proapagandy alohan’ny fotoana no nataon’ity Filoha teo aloha ity  tao amin’ny Distrikan’i Morondava, raha ny vaovao avy any an-toerana hatrany. Nanamafy hatrany tamin’ireo mpomba azy Ravalomanana fa tsy maintsy ho kandida amin’ny fifidianana 2018 ho avy izao na eo aza ny fanaratsiana sy sakantsakana ataon’ny Fitondrana. Fantatra fa ny sabotsy teo ihany koa dia nandalo tao Mahabo ny tenany saingy tsy dia naharototra olona ihany koa.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés