Webradio

ANTSIRANANA : Zazaviavy 13 taogno zanaka Ben’ny tanàna maty an-dranomasina

Amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fetin’ny Paska tao Antsiranana, na dia tsy nilaozan-tsampogno aza. Samy namonjy toeragna fitsangantsanganana amoron-dranomasina ny ologno mandritra ny fety. 19 avril 2017

Ankoatra ny agny Ramena dia nahitana olona maro ihany koa tegny amin’ny tora-pasika Nosy Lonjo. Ahitagna toeragna tian’olo handehanana ihany koa ao ambanin’ny oniversite Antsiranana igny, ka ireo ologno amin’ny manodidina tonga tegny, mandeha miseky ranomasina. Fantatra ny maro amin’ny hoe «  piscine Anglais  » ity toeragna ity.

Tao indrindra no namoy ny ainy ny zazaviavy araiky, 13 taogno, mipetraka ao Lazaret zanaky ny Ben’ny tanànan’Antsalaka. Zaza madinika vitsivitsy no voalaza niaraka taminy tamin’izegny ary ahitagna olon-dehibe hafa ihany koa no niseky teo. Araka ny voalaza fa voan’ny «  crampe  » ity zazaviavy ity fa ireo tsaiky namany teo izay  tsy nahafantatra izegny. Nisy nahatsikaritra fa tsy nihetsika ilay zaza ireo ologno niseky tsy lavitra teo ka nirombaka ny nagnavotra azy.

Efa toragna ilay zaza navoaka tao agnaty rano. Niantso ny «  ambulance  » izy ireo nefa tsy tonga fa avy hatrany dia nentina tamin’ny taksy. Araka ny voalaza fa efa maty ilay zaza raha tonga tegny amin’ny hôpitaly.

Tavela resabe taty an-toeragna ny nahafatesagna ity tsaiky ity. Voalaza ihany koa fa nanaitry ramatoa araiky mahafantatra ny ray aman-dreniny izegny, ka nahafaty ity farany ny maraindraigny ny talata 18 avrily teo. Ilaigny fitandremagna ihany ny filazana manjo tahaka izegny, indrindra amin’ologno efa tsy salama manana aretim-po iregny. Andrasagna ao Lazaret ny razan’ilay zaza fa ilay ramatoa kosa dia efa nandesina agny Antsalaka.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés