Webradio

ZOTRA NASIONALY : Lasibatry ny mpanendaka ireo fiara tonga vao maraim-be ao Toamasina

“Mangarom-bilany”, araka ny fomba fiteny ny fihetsika asehon’ireo mpanendaka eny amin’ny toby fiantsonam-piarakodia zotra nasionaly. 21 avril 2017

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, nanova paikady indray ny mpanendaka fa tonga maraim-be amin’ny ora fahatongavan’ireo fiara, ka eny indray ry zareo no manjono.
Noho ny tahotra amin’ny tsy fandriampahalemana tokoa mantsy dia miandry miposaka masoandro vao mampidina mpandeha ny mpamily, izany hoe matory ao anaty fiara ny mpandeha.

Maharaka izany fomba fiasa izany ireto mpanendaka ireto ka andrasan’izy ireo efa tafapetraka tsara ny fiara, ary miandry mangina tanteraka ny ao anaty fiara no tonga moramora izy ireo. Rehefa rendremana torimaso iny ny ao anaty fiara dia sokafan’izy ireo moramora ny fitaratra misy ny mpandeha amin’ny sisiny, ka eo izy ireo no maka izay zavatra mora raisina.

Lasibatra amin’izany ny paoketra, misy entana an-tanana : very amin’izany ny finday sy ny vola mbamina amin’ny kara-panondrom-pirenena.

Maro no mpandeha efa lasibatra, koa miantso fandraisana andraikitra avy amin’ireo koperativa ny mpandeha mba hametraka mpiambina manokana hanara-maso ny manodidina mandritra ny fiantsonan’ny taksiborosy tonga vao maraimbe.

Ravo

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés