Webradio

KOLONTSAINA SY FANATANJAHANTENA : Nampahafantatra ireo lalao nentin-drazana Ramily

Tomefy olona teny amoron-dranomasin’i Toamasina, ny andron’ny alatsinain’ny Paska teo iny, nandritra ny lalao ara-kolontsaina, nentina namohafohazana ireo kilalao nentim-paharazana, izay efa manomboka tsy hita firy amin’izao fotoana izao. 21 avril 2017

Manana ny “dôla” mampiavaka azy tokoa mantsy ny Faritra Atsinanana, ka eny amin’ny tontolo ambanivohitra no matetika ahitana azy matetika.

Eto Toamasina, miezaka ny mamoha izany lalao netim-paharazana izany Ramily. Ity farany izay mpanakanto vao misondrotra avy ao Toamasina faharoa. Niova kely tamin’ny mahazatra ny toerana nanaovana ity hetsika ity, satria teny amin’ny Stadium Barikadimy no nanaovana ny andiany voalohany taona vitsy lasa izay.

Indray nasongadina tamin’izany ireo karazana lalao fahiny, toy ny lanja agnivo, tatitra rano amin’ny sotro fihinanana, fandakana baolina ambonin’ny “bambou” sy ny maro hafa.

Anisan’ny liana tamin’izao hetsika izao ireo ankizy madinika, izay tonga maro tokoa nanohina ny antson’ny mpikarakara. Tanjona napetraky ny mpikarakara hatreny am-boalohany ny hamohafoha indray ny lalao nentim-paharazana, mba tsy ho very ho an’ny taranaka aty aoriana ireo kilalao ireo, izay nanefy ny fiarahamonina tany aloha.

Nampanantena ny mpikarakara fa hotohizana hatrany ny hetsika ary ny tanjona goavana amin’izany ny hitondra ireto lalao ireto isaky Distrika aoriana kely eo.


Ravo

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés