Webradio

TGV MAHANORO : Hametraka fanamby hampandaniana ny Filoha Andry Rajoelina

Vonona tanteraka ny antoko Tanora Malagasy Vonona (TGV) ao anatin’ny Distrikan’i Mahanoro ny amin’ny fampandaniana ny Filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Nirina Rajoelina amin’ny fifidianana izay hatrehina ny taona 2018.  21 avril 2017

Amin’izao fotoana izao, nohatevenina avokoa ny rantsan’ny antoko ao anatin’ny Distrikan’i Mahanoro.

Tsy tapaka ny fivoriana sy fampitam-baovao ahafahana hanatratra ny tanjona dia ny fandresena amin’ny taona 2018 io. Raha ny zava-misy tokoa mantsy dia ny fifidianana sisa no andrasana fa tena mbola miraiki-po tanteraka sy miandrandra fatratra ny Filoha Andry Rajoelina ny vahoaka ao an-toerana. 

Hiaraha-mahita izao tsy fahombiazana misy amin’ity Fitondrana mijoro ity. Anisan’ny ezaka hapetraka amin’izao fampandaniana ny Filoha Andry Rajoelina izao ny fanentanana ny olona rehetra mba hanara-maso ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Atsy ho atsy, hohatevenina ihany koa ny asa soa mamaly ny filàn’ny vahoaka. Ireto farany tena latsaka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka.


Ravo

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés