Webradio

FARITRA ALAOTRA : Misy tetezana mampidi-doza mampitaraina ny mpamily ao amin’ny RN44

Tsy maintsy mivily lalana ny fiara rehetra rehefa mandalo ao amin’ny tetzana iray isan’ny lava indrindra ao amin’ny lalam-pirenena faha-44 ao.  21 avril 2017

Fantatra fa fiara vaventy iray no efa saika niharan-doza tao amin’ity tetezana ity izay isan’ny nahagaga fa io ihany no tsy nasiana fanamboarana tamin’ireny fanamboarana ny tetezana tao amin’io lalam-pirenena io.

Azo ambara fa efa antitra ny fotodrafitrasa ary tsy mahazaka lanja mavesatra intsony kanefa mbola nampiasaina ihany noho ny tsy fananana safidy ho an’ireo mpampiasa io lalam-pirenena faha-44 io. Mangataka ny tokony hanamboarana haingana ity tetezana ity, araka izany, ny mpitatitra satria ny lalana efa ratsy kanefa mbola tsy hay lazaina ihany koa ny haratsin’ny tetezana sasany hiampitana.

«  Tokony hojerena manokana ihany koa ny lanjan’ny fiara vaventy mampiasa ny lalana satria misy no efa mihoatra ny tokony ho izy ny sasany  », hoy izy ireo. «  Ny orinasa vaventy mampiasa azy io ihany koa tokony handray andraikitra amin’ny fanamboarana na ny fikojakojana azy fa matetika ireny no miteraka ny fahasimbany ka lasa ny daholobe no mizaka ny tsy eran’ny aina  », hoy ireo mpitatitra.

Hariliva R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés