Webradio

RAHARAHA OTIV BOENY : Tsy mbola misy vahaolana ny fanonerana ny volan’ireo mpikambana

Tsy raikitra ny fivoriambe izay saika natao tao amin’ny La voirie Analakely ny sabotsy 15 aprily teo.  21 avril 2017

Mikasika ny olana misy ao amin’ny OTIV Boeny noho ny antony tsy nahazoana fanomezan-dalana hamory vahoaka. Voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka mbola tsy fantatra mandra-pilamin’ny toe-draharaha misyeto amin’ny Firenena.

Ho tapitra amin’ity faran’ny volana avrily ity ny enim-bolana faharoa, izay hikarohana hevitra hanonerana ireo volan’ny mpikambana nanjavona tao amin’ity fampindramam-bola madinika ity, dia ny fahefana nomena ireo mpitantana vonjimaika io orinasa io izany.

Tsy hita izay marina hatramin’izao, efa tapitra mahafantatra ny io olana io avokoa ny rehetra eto amin’ny Firenena hatramin’ny Filoham-pirenena. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny minisitra tompon’andraikitra fa dia tsy nisy vahalaona hatramin’izao. Voalaza ihany koa fa nisy orinasa roa vonona hamaha io olana io, saingy tsy nahazo fankatoavana hatramin’izao. Mhenahena eo io raharaha io hatramin’izao. Raha ny resaka mandeha anefa dia tsy hangina fotsiny amin’izao ireo niharan’ny fanjavonan’ny vola fa hanao izay hevitra rehetra azo atao mba hanehoana ny alahelon’izy ireo, na ho inona akony na ho inona.

Fety

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés