Webradio

KAOMININA AMBALAMANASY - VONO OLONA : Lehilahy maty nokapain’ny zandriny tamin’ny antsibe

Nitrangana vono olona tao Tanambao, Kaominina Ambalamasy ao anatin’ny Distrikan’Andapa, ny faran’ny herinandro lasa teo iny. 25 avril 2017

Lehilahy iray no namoy ny ainy, ny rahalahiny izay zandriny iray tampo aminy ihany no fantatra fa nahavanon-doza. Goavana ny ratra nahazo azy, tapaka ny hazon-damosiny, noezahina noentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany ilay lehilahy kanefa tsy tana intsony ny ainy.

Fifamaliana tao an-tokantrano teo amin’ny samy mpihavana ihany no niafara tamin’ny ra nandriaka. Araka ny vaovao voaray dia nifamaly ity lehilahy ity sy ny anabaviny.
Raikitra ny ady am-bava tao an-trano, samy namoaka vava tsy ambina izy mianadahy ka rehefa nahita an’io ny vadin’ilay vehivavy dia niditra an-tsehatra niaro am-badiny. Rafitra indray ny ady teo amin’ireto mpizaodahy ary vao mainka nihahenjana ny vava nivoaka ny nahatonga indray ny tovolahy iray nanampy azy ireo izay voalaza fa zandrin’ny iray amin’izy roa lahy ireto.

Ity farany no tsy nahazaka, rehefa niakatra ny hatezerana avy hatrany dia nandray antsibe teo anjoron-trano ny tenany ka tonga dia nokapainy tamin’izany ity zokiny. Nijininika ny ra tao an-trano, ny lamosiny nahazo ny taolana mihitsy no voakapan’ilay antsibe.

Nikoropaka ny fianakaviana, nikasa hitondra ity niharan-doza tany amin’ny hôpitaly kanefa noho ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy tana intsony ny ainy.
Nidina teny an-toerana ny Zandary rehefa nahare ny vaovao. Mitohy ny famotorana, nambara fa tsy maintsy handraisana fepetra ilay tovolahikely 15 taona nahavita namono an-jokiny.


Avotra Isaorana


JgEXuPrOOfOXu
2020-09-28 16:40:41 par RoyalCBD

txdJyd Very nice article. I definitely appreciate this website. Thanks !

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés