Misy mantsy amin’izao fotoana izao ny ezaka ataon’ny Polisy, izay manao bemidina eny an’arabe, misava ny môtô sy ny fiara, mbamina fisavana ny kara-panondrom-pirenena.
Miara-miasa matotra amin’ny Lehiben’ny fokontany sy ireo olona any anatin’ny fiaraha-monina ny Polisim-pirenena manoloana izao ezaka goavana mampandry fahalemana izao. Nandritra izay ezaka manokana izay dia jiolahy miisa 11 no sarona.
Misy amin’izy ireo no efa jiolahy mpamerin-keloka,ao ireo voarohirohy tamina raharaha vono olona tamin’ny tifitra basy sy tamin’ny antsibe. Ao koa ny voarohirohy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, tao ireo sarona teo am-pikotrehana ny asa fanafihana. Nanamafy ny Polisim-pirenena fa mitohy hatrany ny asa fisafoana tsy tapaka atao eto Toamasina.
Ravo