Nandeha ny fikarohana lalina nataon’ny Zandary taorian’ilay habibiana, nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo ka nahafana nanao ny fisamborana ity voarohirohy.
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana any an-toerana sy mikaroka ireo namany. Raha tsiahivina fohy ny zava-niseho dia tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namoana ireto telo mianaka, raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany roa lahy izay samy niara-namoy ny ainy avokoa. Efa mihamatoy ny lavanila ka tena manao andri-
maso fatratra isak’alina ireo tantsaha mpamboly. Anisan’izany ny tao amin’ity fianakaviana kely iray, nifandimby mifoha amin’ny alina misafo ny sahan-davanila izy ireo.
Efa maty paika anefa ny tetika nampiasan’ireo jiolahy hangalatra izay nifanojo tamin’ireto mpiambina. Tonga dia nasesin’ireo jiolahy novonoina izy iray trano ary tamin’ny fomba feno herisetra tanteraka no nanatanterahany izany, diam-pamaky tsy latsaky ny telo avy no hita tamin’ny vatan’izy ireo.
Niara-maty teo noho eo izy telo mianaka raha mbola naratra mafy notsaboina eny amin’ny hôpitaly kosa ny reniny. Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana hataon’ny Zandary mahakasika ity halatra niaro vono olona mahatsiravina ity.
Avotra Isaorana