Voajery avokoa miainga avy any amin’ny farany atsimo any Anosibe an’Ala ka hatrany amin’ny farany avaratra any Andilamena.
Isan’ny tanjona ny hampiakarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra izay miainga amin’ny fampiofanana ireo mpanabe eny ifotony. Dingana lehibe no hotratrarina amin’ity taom-pianarana ity mba hampitrakana indray ny seha-pampianarana aty Alaotra Mangoro raha ny loharanom-baovao voaray. Isan’ny mandray anjara mavitrika amin’ny asa atao rehetra ihany koa ny avy eny anivon’ny Cisco rehetra ary tsy diso anjara amin’izany ny avy ao Ambatondrazaka.
Fantatra fa nanatanteraka fitsidihana manokana tany amin’iny tapany avaratr’Ambatondrazaka iny ny avy eny anivon’ny Fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka notarihin’ny Lehibeny ny alakamisy 20 avrily lasa teo. Raha ny fampitam-baovao marim-pototra voaray dia isan’ny anton’izao fitsidihina izao ny fanaraha-maso ny « journée pedagogique » (JP) izay hiarahana amin’ny tetikasa DEFI. Voahaja ny fifanarahana raha ny tatitra voaray mahakasika izany satria am-perinasa avokoa na ny mpampiofana na ireo mpampianatra izay hofanina mahakasika izany.
Nandritra io fandalovan’ny Lehiben’ny Cisco Ambatondrazaka tao Imerimandroso no nanolorana an-dRatahian- janaharinirina Hasina Haritiana Eli, ho Chef ZAP vaovao ao Andromba izay nisolo toerana ny teo aloha izay efa lasa nisotro ronono. Fantatra fa mpampianatra 190 no niatrika ny J.P tao Imerimandroso ary niisa 100 ny tao Ambatosoratra raha toa ka nahatratra 90 ny tao Ambandrika.Ny 21 avrilylasa teo no nifarana ny J.P rehetra izay voalaza fa dia nizotra an-tsakany sy an-davany ho an’ny Cisco Ambatondrazaka.
Hariliva R.