Antony telo no anisan’ny mahatonga izany raha ho an’iMadagasikara manokana. Tafiditra amin’izany ny fipoahana ara-tsosialy manoloana ny raharaham-pirenena nisy tamin’ny taona nifandimby, teo ihany koa ny fandalovan’ny loza voajanahary. Voatery miato mantsy ny fianarana rehefa mandalo ny rivo-doza ary misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fianarana izany.
Ny tena goavana dia ny fitotonganan’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy. Mbola sarotra, noho izany, ny fanarenana ny Fanabeazana eto Madagasikara. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fankalazana ny hetsika maneran-tany ny Herinandron’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny Conamept. Firenena 96 maneran-tany no manatanteraka izany ary anisan’izany i Madagasikara.
Nosantarina tamin’ny adihevitra mahakasika ny fandraisana andraikitra manoloana ny ODD sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena ny fanamarihana izany teto amintsika. Tamin’izany no nijerana ny sakana sy nanolorana ny vahaolana amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny fanabeazana sy ny fampianarana. Lohahevitra maro no iadiana hevitra mandritra ny herinandro ka hisy ny tsoa-kevitra izay avy amin’ny mpiantsehatra isan-karazany toy ny solontenam-panjakana, ny fiaraha- monim-pirenena, ny artista, ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka, ny raiamandreny sy ny mpanao politika.
Pounie