Webradio

FAMPIOFANANA ARAKA ASA : Hanefa latsakemboka iray isan-jato ny orinasa tsy miankina

Hanangana tahirim-bola manokana  ho an’ny fampiofanana araka asa eto Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy. Amin’izy ireo dia hapetraka ho lalàna mifehy ny orinasa  tsy miankina ny fampiofanana ny mpiasa.  25 avril 2017

Misy, noho izany, ny latsak’emboka iray isan-jato izay haloan’ny orinasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy ireo izay ahitana ny “ GEM, FiVMPAMA, ny CTM ary ny FCCIM  miampy ny Fanjakana izay ahitana ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny minisiteran’ny Vola sy ny teti-bola ary ny minisiteran’ny Fampiofanana araka asa sy teknika. 

Tafiditra anatiny izany ihany koa ny fampiofanana ireo mpiasa efa am-perinasa sy ireo vao hiditra hiasa.

Ny fitotonganan’ny fari-pahalalan’ny tanora mihitsy no tsy ampy.  Antony mahatonga izany ny fisian’ireo sekoly tsy manara-dàlana sy tsy mahafehy ny lalam-piofanana misy ao aminy. Najoro, noho izany, ny tahirim-bola manokana ho an’ny fampiofanana araka asa eto Madagasikara io, taorian’ny fakan-kevitra tamin’ny fidinana tany amin’ny faritra. Tamin’izany ko no nanapahana fa ny orinasa tsy miankina no hanefa ny latsak’emboka iray ao anatin’io Tahirim-bola io isan-jato. “Io latsak’emboka io no hoentina mampiofana ny mpiasa am-perinasa ao amin’ny orinasa . Hahazo tombontsoa amin’izany ny mpiasa sy ny mpampiasa.”, hoy Joséphine Andriamamonjisoa, filohan’ny Antenimieran’ny Varotra eto Antananarivo. 

Efa voalavola io tetikasa io ary eo am-panatanterahana izany ireo  mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy ireo ka hatolotra ny rafitra mpanao lalaàna izany ary hapetraka ho lalàna mifehy ny asa. Miandry ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fanjakana sisa dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa ho fampan- drosoana ny sehatry ny asa, amin’ny volana janoary 2018 Vola mitetina 6 tapitrisa euros no natolotry ny Sampandraharaha frantsay misahana ny fampan- drosoana na AFD mba ho fanampiana amin’ny famolavolana io tetikasa io.  Tanjona amin’izany ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina eto amintsika sy ireo tanora miasa ambanivohitra ihany koa.

Pounie 

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés