Webradio

ANTSIRANANA : Miezaka manatsara endrika ny Fitondrana ny Filoham-pirenena

Nigadona tao Antsiranana omaly i Hery Rajaonarimampianina miaraka amin’ireo delegasiona izay tarihany.  26 avril 2017

Manararotra ny fotoana ity farany mba hanatsara endriky ny Fitondrana manoloana ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay tena mamaivay tokoa eto amin’ny Firenena ankehitriny.

Fantatra fa aorian’ny dinika politika, izay handraisan’ny Fanjakana malagasy anjara miaraka amin’ny Vondrona Eoropeanina dia rahampitso no hitokanana ny lalana, novatsian’ny «  PIC  » vola, toy izany koa ny fitokanana ny «  Complexe Mère Enfant  »  ao amin’ny Hôpitaly Miaramila HOMI ary fanolorana fiara fitondrana marary ho an’ny Hôpitaly Tanambao, no tena anton-dian’ny Filoham-pirenena any an-toerana, araka ny fanazavana nomen’ny Préfet-n’Antsiranana, omaly. 

Tsy hanova na inona na inona ao Antsiranana akory izao fandalovan’ny Filoha any an-toerana izao. Misy aza milaza fa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no ataony fa tsy miraharaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka akory.

Pounie

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés