Raha ny fanazavana voaray dia nifanelanelana ora iray ny fanafihana io tanàna roa io nandritra ny alina.
Raha ny tao Ambohitsalama izao dia mpivarotra enta-madinika sy mpivarotra kisoa handeha hody no nifanehitra tamin’izy ireo tamin’io fotoana io. Nanoloana izay dia tsy sahy nanohitra ireo olona noho ny fampihorohoroana nataon’ireo jiolahy tamin’ny zava-maranitra toy ny antsy lava sy basy ka nanaram-po ireo mpangalatra.
Vola mitentina enina hetsy Ariary sy entana tsy lafo maromaro no lasan’izy ireo. Marihina fa tsy voafaritra ny isan’ireo jiolahy ary tsy nisy ihany koa ny aina nafoy. Torak’izany ihany koa ny zava-nisy tao Fiadanankely satria dia tokantrano iray no voatafik’izay ireo ka vola sy entana fampiasa ao an-trano tsy voafaritra ny isany no lasan’ireo jiolahy. Voalaza fa efa mitsoa-ponenana mihitsy aza ireo fokonolona sasany noho ny fahatahorana ireo mpanafika niverimberina tato ho ato. Vokatr’izay dia manao fitarainana ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ny antony dia isaky ny vita ny fanafihana vao tonga ireo mpitandro filaminana ka miangavy izy ireo amin’ny tompon’andraiki-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy sy hitady vahaolana.
Tatianà R.