Webradio

BIRAO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ASA : Ampifandraisina ny filan’ny orinasa sy ny vokatry ny oniversite

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PASER ny fampanatonana ny oniversite sy ny orinasa. Tamin’ny volana marsa no natomboka ny fikaonan-doha teto Mahajanga ary ny alarobia teo no natao ny fanitsiana sy famenoana ny fifanarahana. 26 avril 2017

Tsy mifanentana amin’ny filan’ny orinasa ny voka-pikarohan’ny oniversite. Tsy trandrahan’ny orinasa ihany koa ny voka-pikarohana ataon’ireo mpianatra noho izy tsy mahafantatra na noho ny tsy fahatokisana. Izany no antony isian’ny vovonana ifanantonan’ny oniversite sy ny mpandraharaha, satria na ireo mpianatra nofanin’ny oniversite izay manao fanofanana araka asa, toy ny IBA na ny “Tourisme” aza dia tsy raisin’ny mpampiasa avy hatrany raha tsy manana traikefa araky ny fanazavan’ny Tale  kabinetran’ny Faritra Dr Jean Louis.

Fanararaotana izao hoy kosa ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar satria manana orinasa mpanjono maro i Mahajanga, na ho ela na ho haingana dia hisy ihany koa ny fitrandrahana vy any Soalala ka tokony hanomana mpiasa manana fahaizana manokana amin’izany ny oniversite. Ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa na BIT moa no tompon-kevitra sy mamatsy ny tetikasa entina hampanana asa ny tanora ka tokony ho araraotina, ampidirana ireo orinasa isankarazany efa misy eto amintsika ahafahana mamaly avy hatrany ny filan’izy ireo momba ny mpiasa. Misy ihany koa ireo voka-pikarohan’ny mpianatry ny oniversiten’I Mahajanga izay azon’ny orinasa trandrahina. Ny tanjona dia mba hifameno ny oniversite sy ny orinasa eo amin’ny tontolon’ny asa.

Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés