Raha ny loharanom-baovao voaray dia misy amin’ireo mpandraharaha vary sasany no milaza fa efa lany ny vary nangonin’izy ireo tamin’ny miaka-bokatra. Fantatra anefa fa misy ireo manitrika izany ka mahatonga io fiakaram-bidy io. Araraotin’ny mpandraharaha sasany, araka izany, ny faharatsian’ny taona na dia mbola tsy tokony ho izay aza no zava-misy hanakarany io vidiny io kanefa mbola ny vary novidiany tamin’ny miaka-bokatra lasa teo no avoakany amin’izao fotoana izao.
Raisin’ireo mpivarotra indray izany ary afangaron’izy ireo amin’ny vary nafarana avy any ivelany ary hatobaka eny an-tsena. Efa mahandro izany any an-trano ny mpanjifa vao mahita fa vary mifangaro no azony. Samy manararaotra avokoa ny rehetra eo amin’ity vary ity hany ka ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina. Tsy hita mihitsy anefa ny vahaolana apetraky ny Mpitondra fanjakana manoloana izany rehetra izany. Misy anefa ireo mpivarotra no mivarotra hosoka sady manararaotra amin’ny fampiakarana vidin’entana.
Lazain’ireo mpandraharaha sasany indray ankoatra izay fa noho ny fahavitsian’ny ozinina mitoto vary rehefa alahady no antony mampiakatra io vidim-bary io kanefa tsy tokony hisy ifandraisany mihitsy izany. Mitaraina saingy tsy misy mpihaino ny vahoaka madinika manoloana ireo tranga rehetra ireo. Manahy mafy ny mety mbola hahamafy ny vidim-piainana amin’io taona ho avy io araka izany ny rehetra satria efa mitsinjo any sahady ny ankamaroan’ny mpandraharaha vary ka mahatonga ny sasany hanitrika ny tahirim-bariny.
Hariliva R.